ActualitésTsidika

Fanamafisana ny fanaovam-baksiny any Nosy be sy Sainte-Marie

Efa azo lazaina ho nandresy isika amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19 raha araka ny nambaran’ny filoha nandritra ny kabary nataony ny alin’ny alahady 30 mai teo. Maro ireo fepetra niova tao anatin’izany ary anisany amin’ireny ny fisokafan’ny sekoly manerana ny nosy. Mitohy kosa anefa ny fanaovana ny vaksiny fanefitry ny covid-19 ho an’ireo liana sy te hisitraka an’izany. Ho an’ny faritra Nosy be sy Sainte-Marie manokana, ho aparitaka ary ho amafisina ny fanentanana ny amin’ny fanaovana ny vaksiny indrindra ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny resaka fizahan-tany. Hisokatra tsy ho ela araka ny nambaran’ny filoha ny fizahan-tany any amin’ireo faritra ireo ka mba ho fiomanana amin’izany. Ireo olona 55 taona no mihoatra tsy misy ankanavaka no hisitraka voalohany izany vaksiny fanefitra izany araka ny nambarany hatrany. Fa efa tena azo antoka fa tsy hisy fiverenany intsony angaha ilay valan’aretina? Ny vaksiny hatreto toa mbola tsy tena azo antoka anefa ny fizahan-tany ho sokafana. Ny valan’aretina eto an-toerana ho resy fa ireo mpizahantany indray hitondra vaovao avy any ivelany. Dia an’iza ny fahadisoana avy eo ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire