Misokatra ny zotra rezionaly
Fivelomana maro no simba noho ny fanakatoanana ny zotra rezionaly teto Antananarivo. Efa niezaka nitady vahaolana ihany anefa ny fitondram-panjakana tamin’ny fanovana ireo fiara mpitatitra olona ho mpitatitra entana. Ankehitriny, haverina hosokafana amin’izay izany noho ny fihenan’ny marary eto amin’ny firenena. Miverina manomboka ny zoma 4 jona ny zotra rezionaly sy nasionaly manerana ny nosy, fa tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra. Isany amin’izany ny Famendrahana fanafody alohan’ny handeha sy rehefa tonga amin’ny fiantsonana, fanaovana arovava-orona, manifold hanarahana ireo mpandeha rehetra. Tsy midika akory izany tsy misy intsony ny fiarovana fa mbola mitohy hatrany ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tany Repoblikan’i Madagasikara. Misokatra manomboka amin’ny zoma ihany koa ny sidina anatiny iantsorohan’ny Tsaradia, fa tsy maintsy manao fitiliana Antigénique 3 ora mialohan’ny sidina ireo mpandeha rehetra. Mbola mikatona kosa ny sidina ivelany na ny miditra na ny mivoaka ankoatran’ireo tompon’andraikitra mamita iraka, na ireo atleta. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany ny rehetra na izany aza, aoka hohajaina mandrakariva ireo fepetra napetraka.
Nicole Rafalimananjara
