Iran : Benjamin Brière ho tsaraina noho ny fitsikilovana nataony
Voatazona nandritra ny herintaona, nanambara ny mpisolovavan’I Benjamin Brière ny alahady 30 mai lasa teo fa ho tsaraina noho ny raharaha fitsikilovana izy. Tsy mazava ireo fanamelohana nataon’i iran, hoy ny nambaran’ny ministeran’ny raharahambahiny ao France. Mitohy ny nofy ratsy ho an’i Benjamin Brière. Andro vitsivitsy taty aorian’ny antso nataon’ny anabavin’ity voafonja ity tamin’I Emmanuel Macron ny amin’ny fangatahana famoahana azy no nanao io fanambarana io ny mpisolovavany. Araka ny toromarika voaray, nanaiky ny teo anivon’ny fampanoavana ny amin’ny fanenjehana ireo mpitsikilo sy mpanely tsaho manohitra ny rafitra ara- politika misy ao amin’ny République islamique d’Iran, hoy ny fanambarana nataon’ny AFP Me Saïd Dehgha. Mitarika fanamelohana ho faty ny fitsikilovana amin’ny tranga goavana any Iran ary mihidy any am-ponja 3 volana hatramin’ny heritaona kosa ireo mampiely hevitra manohitra ny rafitra misy.
