Turquie : Tafahitsoka tany nanomboka ny taona 2019 i Tuna Altinel
Tsy navela nakany France satria tsy naverina ny passeport-ny ilay mpahay Matematika Tuna Altinel sady « maître de conférence » ao amin’ny Oniversite Lyon-l ka tafahitsoka tany Turquie nanomboka ny taona 2019. Voasambotra izy raha saika handray anjara amin’ny fivoriana « prokurde » tany France. Nilaza ny komity mpanohana azy omaly Alakamisy 27 may fa voarainy ihany ilay passeport. Nosamborina tany Turquie noho ny resaka fampihorohoroana i Tuna Altinel ka nosakanana tsy ho any France ary tsy nomena ny Passeport-ny. Ankehitriny anefa, voarainy ihany ilay izy ka nanao fanambarana tao amin’ny Twiter i Altinel nisaotra an’izay rehetra nanampy azy tamin’izao raharaha izao ary nilaza ihany ko aizy fa mbol mitohy ny ady ho an’ny filaminana sy ny demokrasia ary ny fampanjakana ny rariny. Nipetraka tany Lyon ity « maitre de conférence » ity talohan’ny may 2019 nisamborana azy saingy efa navoaka ny fonja ny janoary 2020 saingy tsy mbola azo foana ny pasipaoro ka tafajanona tany Turquie ihany.
