Mety hisy ny fandroahana ara-teknika ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina
Sehatra maro no marary amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao izay tena nampikaikikaiky ireo mpisehatra kanefa ny aretina etsy an-kilany mamely ihany. Tokatrano maro no tapaka fivelomana ary nahitana fihatraikany be teo amin’ny resaka sosialy sy toe-karena izany. Mihidy ny sisin-tany amin’izao fotoana izao, misy araka izany ny fikatsoan’ny asa eo amin’ny fadin-tseranana ka tapaka fidiram-bola ny ankamaroan’ny mpiasa amin’izany. 5 amin’ny fiaramanidina 6 ao amin’ny kaompaniam-pitateran-tseranana Tsaradia no mipetra-potsiny ankehitriny raha ny fiaramanidina rehetran’ny Air Madagascar hoy ny tompon’andraikitry ny roa tonta. Tsy mbola nisy anefa hatreto ny fandroahana ara-teknika ny mpiasa. Nilaza kosa anefa ny avy ao amin’ny sendika fa mety hisy ihany izany ny volana jona izao ka mandritra ny telo volana be izao. Saingy mbola ny fifampanihana eo amin’ny mpiasa rehetra rehetra mikasika ity volavolam-pitantanana ity izay ho atao amin’ny herinandro ambony ka hojerena akaiky mandritra izany ny zava-misy. Marihina fa olona manodidina ny 600 no miasa ao amin’ny Air Madagascar sy ny kaompania Tsaradia ka ny am-pahany amin’ireo mpiasa ireo no ho tratran’ny fandroahana ara-teknika hoy hatrany ny Sendika. Ny kibo tsy maintsy mihinana anefa, sehatra maro ihany koa no efa mikatso ka ho aiza indray àry ireo mpiasa ireo ?
Nicole Rafalimananjara
