Inde : Fandalovan’ny rivodoza Yaas any amin’ny morontsiraka atsinanana
Rivodoza faharoa miditra ao Inde tao anatin’ny roa herinandro monja, tafiditra an-tanety anio alarobia 26 mai ao amin’ny ilany antsinanan’i Odisha ilay rivodoza Yaas arak any nambaran’ny sampana mpamatatra ny toetr’andro any an-toerana. Olona aman’arivony maro no voatery nalàna tamin’ny toeram-ponenany noho izany ary 1,2 tapitrisa ireo olona voatery nalana tany amin’ny faritra atsinanana. Nilaza ny avy ao amin’ny sampana mpamatatra ny toetr’andro indien fa mety ahatratra 185 km isan’ora ny fitsokan’ny rivotra ary hisy fiakarany ambony be ny rano izay mety hitarika tondran-drano. Efa misy rivotra mahery mitsoka any amin’ny Tanana miampy tafiotra amin’izao fotoana izay mampiomana ny amin’ny fiavian’ny rivodoza. Efa olona roa sahady izay no maty noho ny fandalovan’ny rambon-danitra mahery vaika tao amin’ny distrika ny Hooghly ao Bengale andrefana arak any nambaran’ireo manam-pahefana. Hazo maro no niongotra hatramin’ny fotony ary nitarika fahatapahan’ireo tari-by mpampita herinaratra mihitsy ity rivodoza ity.
