La Réunion : Amin’arivony ny tranga hita isaky ny herinandro
Nanomboka nitombo indray ny tranga tany La Réunion tamin’ity herinandro ity indrindra ny isan’ireo maty. Nanomboka nohamafisina araka izany ny fanentanana isan-karazany ka tsy maintsy arahina ireo fepetra napetraka iarovana amin’ny Covid-19. Ny talata 25 may teo no natomboka ny fanentanana ny tsy maintsy hanajana ireo fepetra. Tamin’ny 15 hatramin’ny 21 may izao, nahitana tranga 156 tamin’ny olona 100 000 ary tena tsy mbola nisy mihitsy izany isa izany hatramin’izay nisian’ny aretina tany amin’ny nosy. Niakatra hatramin’ny 6,1% isan-jato ny tahan’ny marary. Mitohy hatrany ihany koa anefa ny fanaovam-baksiny ny mponina. Nahavita 206 000 ny tsindrona vaksiny vita ny 25 may teo tany an-toerana ary 74 000 no isan’ireo efa nahavita ny tsindrona fanindroany. Nilaza anefa i Jacques Billant, préfet ao an-toerana, fa hiditra amin’ny dingana fahatelo amin’ny fialàn amin’ny fihibohana ny firenena manomboka ny 9 jona ho avy izao.
