Mpitondra moto 275 no tratra tsy nanara-dalàna
Efa ela no nahenoana fa ho hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ny mpitondra kodiaran-droa tsy manara-dalàna. Manomboka misava izany izy ireo amin’izao fotoana izao mba hisoroahana ny lozam-pifamoivoizana izay mateti-pitranga loatra ankehitriny. Miisa 270 araka izany ireo mpitondra moto tratran’ny polisy tsy nametraka « rétroviseur » ary 5 kosa ireo tratra tsy nanao aro loha. Manamafy hatrany izy ireo fa ho fiarovana ny aintsika ihany no nametrahana ireo fepetra ireo ka tsy mikely soroka ny polisy manao ny fanentanana. Fepetra efatra no tena takiana amin’ireo mpitondra kodiaran-droa. Voalohany, Fametrahana rétroviseur ka ho an’ireo moto tsy misy izany dia asaina hividy na hijery na hametraka izany eo noho eo vao afaka mandeha ny moto. Faharoa, ny fanaovana sy famatorana tsara ny aroloha satria mitovy amin’ny tsy manao aroloha ihany raha tsy mifatotra tsara izany. Fahatelo, tokony hisy jiro hatrany ny moto ary hampiasa izany hahafahan’ny mpampiasa lalana mahita ilay moto. Fahaefatra, ny fanaovana ireo akanjo lava sy kiraro saingy ity farany ity dia miankina amin’ny tsirairay ny fanarahana azy fa fanentanana fotsiny ihany ny an’ny polisy. Tsy ho an’ny mpitandro filaminana fa ho an’ny mpitondra moto mba hiarovana ny ainy no anaovana izao fepetra izao. Koa aza miandry saziana vao mety hanara-dalàna fa aoka ho tonga saina isika ka hanaja izay efa napetraka.
Nicole Rafalimananjara
