Inde : Fanambadiana natao tany anaty fiaramanidina mba hialana amin’ny fepetra ara-pahasalamana
Mpivady indianina iray no nanofa fiaramanidina hanaovany ny fanambadian’izy ireo eny an’habakabaka miaraka amina olona 161 nasaina. Hialana amin’ny faneriterena amin’ireo fepetra ara-pahasalamana no nanaovan’izy mivady an’izao araka ny nambaran’ny gazety ny alatsinainy teo. Nanao famotorana ireo manam-pahefana amin’ny fiaramanidina avy any Inde ary nampiato ireo tompon’andraikitra tamin’ity fiaramanidina ity amin’ny asany, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nanome alalana ny ankamaroan’ireo fanjakana ao Inde izay efa nihoatra ny 300 000 no matin’ny coronavirus ny alatsinainy 24 may teo fa 50 farafahabetsany ny olona afaka asaina hanatrika fampakaram-bady any an-toerana. Nandritra ny fandalovan’ilay fiaramanidina an’ny kompania SpiceJet teo Minakshi, ao Madurai, ao amin’ny fanjakana Tamil Nadu no nifanaiky ireto mpifankatia ireto. Horonantsary sy sary nandritra ny fety tany anaty fiaramanidina nozaraina tamin’ny tambajotra sosialy nampiseho ireo nasaina miambozona voninkazo, saingy tsy afaka nihetsika teo no eo ny AFP. Manohitra tanteraka ny lalàna manankery amin’ireny fiaramanidina ireny, tsy nisy nanao arovava orona ireo nasaina ary tsy voahaja ny elanelana. Mangataka ny SpiceJet noho izany ireo manam-pahefana mikasika ny zotra an’habakabaka mba handray fepetra momba ireto mpivady vao ireto sy ireo olona nasainy.
