Faritra Boeny: fanatsarana ny lalana Katsepy-Soalala sy Katsepy-Mitsinjo
Isan’ny zava-dehibe ary mitondra fandrosoana ny firenena ny fahatsaran’ny lalana. Tsy vitsy mantsy ireo mitaraina ny amin’ny faharatsian’izany noho izy manana anjara asa lehibe eo amin’ny lafiny rehetra toy ny ara-ekonomika, ny ara-tsosialy indrindra ny ara-politika. Samy manana ny olana ara-pivezivezena ihany koa any anaty faritra tsirairay avy any. Laharam-pahamehana ho an’ny faritra Boeny izao ny hanatsarana ny lalana mampitohy an’I Katsepy sy Soalala ary Katsepy sy Mitsinjo. Ny lalana Katsepy ka hatrany Soalala izay mirefy 180 Km ary Katsepy hatrany Mitsinjo izay mirefy 70 Km dia tafiditra anatin’ny fandaharan’asa amin’ny fanavaozan-dalana. Efa natomboka ny asa ary nanokatra izany ny Goveroram-paritra Mokhtar Salim Andriatomanga. Tsy hijanona hatreo anefa ny fanamboaran-dalana fa hitohy manerana ny Disitrika maro ao amin’ny Faritra Boeny. Tafiditra ao anatin’ny Vina napetrakin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izao asa izao hoy hatrany ity Governora ity. Mieritreritra ny hatsara ny lalana mampitohy ny faritra amin’ny faritra hafa indray ny Governora rehefa vita izao asa amin’ny Disitrika izao aminn’y taona ho avy toy ny faritra Melaky ka mety ho hatreo Besalampy. Hitondra fiovana lehibe tokoa eo amin’ny fandrosoan’ny firenena ny fahatsaran’ny lalana fa ny fahatsarana maharitra anefa no tena ilaina fa tsy sanatria lalana mora simba tsy maharitra ela akory satria mbola mila faharetana ihany koa ny fampandrosoana ny firenena ary mandeha tsikelikely.
Nicole Rafalimananjara
