ActualitésTsidika

Notazomina ho 75 000 Ar ihany ny kilaon’ny lavanila

Natomboka omaly alakamisy 20 may ny taom-piotazana ny lavanila. Ny vidiny kosa hatreto mbola tsy nivoaka amin’ny fomba ofisialy, raha ny governemanta no manapaka izany farany. Nisy ny fehin-kevitra mizara 4 niainga avy teny amin’ny Antenimieram-pirenena : ny fatsarana ny rafitra sy ny mpikambana ao anatin’ny CNV (Filankevi-pirenena momba ny lavanila) hitsangana afaka roa herinandro raha ela, ahitana ny tantsaha, ny mpandraharaha, ny fanjakana, ny teknisianina, ny solombavambahoaka, ny loholona. Hakana hevitra mialohan’ny hamaritana farany ny vidin’ny lavanila ny CNV, mba ho tena hevitry ny maro an’isa no hivoaka. Kanefa ferana ho 75 000 ar aloha ny vidin’ny lavanila maitso mandra-pivoakan’ny vidiny ofisialy manomboka androany 21 may.  Notazomin’ny Fanjakana amin’ilay taratasy nosoniavin’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Richard Randriamandranto niaraka tamin’ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra Lantosoa Rakotomalala ny 14 mey 2021 ihany izany ny vidina lavanila aloha. Ny 18 mey anefa no namoaka taratasy iray hafa izy ireo, fa tsy ofisialy sy tsy mbola tokony hivoaka iny vidiny navoaka iny fa vao hiaingana sy hodinihina amin’ny filankevitry ny governemanta. Tsy nisy tatitra mazava momba izany Filankevitry ny governemanta izany izay fanao isaky ny talata, raha toa ka nisy ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo izay nanaovana tatitra mazava sy naparitaka. Ny 19 may teo aza moa, nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny olona tany Andapa amin’ny tsy fahafaliany noho io vidina lavanila 75 000Ar io. Tany amin’ny 25 febroary 2020, 900 000Ar/kg ny nameran’ny Fanjakana hamarotana ny lavanila voakirakira, ary 250 Dolara ny vonona haondrana. Herintaona mahery aty aoriana, nitotongana 75 000Ar kanefa efa hiara-mahita ny vidim-piainana. Ary ny tena mampalahelo aza tsy amin’ny ariary no andefasana azy fa amin’ny Dolara kanefa mora ny angalana azy amin’ireo tantsaha mpamboly. Mitsinjo ny vahoaka ve hatreto izany tranga izany ? Ny ambany dia ambaniana foana fa tsy mba hampandrosoana ho lasa lavitra, izany no zava-misy eto amin’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire