Fanokanana ny tranoben’ny mpitandro filaminana any Ihorombe
Tafiditra ao anatin’ny vina nandritra ny fampielezan-kevitra ny hananganana foto-drafitr’asa maro manerana ny nosy. Tsy vitsy ireo efa notokonana nandritra izao fitsidiham-paritra nataon’i Andry Rajoelina izao. Tsy diso anjara i Ihosy fa nitondrana fotodrafitr’asa maro heverina hampandrosoana ny faritra. Notokanana androany 21 May nanomboka tamin’ny 9 ora teo ny tranobe ho an’ny polisy na ny « Direction Regionale de la Securité Publique » DRSP Ihorombe. Ny filoham-pirenena no nitarika ny fanokanana, nomban’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Ahitana birao maro anatin’izany trano izany, toeram-pisakafoanana sy efitra fandrahoan-tsakafo ary indrindra ny efitra fanidiana maromaro izay tsy manara-dalàna na ny violon. Nomena kodiara-droa mitondra ny marika Malagasy na ny « Gasycar » ihany koa ireo mpitandro filaminana sy fiara tsy mataho-dalana ho entina hampandriana fahalemana any amin’ny faritra Ihosy. Ambara matetika fa toerana lavitra andriana ny faritra kanefa tsy natao diso anjara amin’ny foto-drafitr ‘asa maro hafa koa toy ny kianja manara-penitra ho an’ny tanora, tranobe ho an’ny tantsaha, hopitaly manaran-penitra, jiro hanazava ny tanàna ary ny finoana aza tsy natao ambanin-javatra satria namboarin any fiangonana FLM any Ihosy. Mbola betsaka ny foto-drafitr’asa vita ho an’ny faritra Ihosa fa miandry ny fanokanana azy sisa aorian’izao aretina izao hoy ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fanokanana izany. Mbola hitohy hatrany ny tsidika ho ataon’ny filoha fa any Ihosy aloha izy amin’izao.
Nicole Rafalimananjara
