ActualitésTsidika

Misokatra ny fanadihadiana momba ilay zandary iray nahatifitra olona tao Arivonimamo

Mandalo dingana sy fampiofanana maro vaoa tonga eo amin’ny toeran’ireny zandary miriaria mampandry tany ireny. Indraindray anefa tsy fitandremana kely fotsiny amin’ny tsy ampoizina dia mety hampigadra fahatany. Efa mandeha ankehitriny ny fanadihadihadiana mikasika ilay zandary nahatifitra olona tao Arivonimamo ny 18 may lasa teo. Raha tsiahivina, zandary iray kilasy faharoa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Morafeno Arivonimamo no nahatifitra olona iray tsy nahy. Tamin’ny 6 ora maraina no nitrangan’ity fahavoazana ity ary noho ny hamamoana no nahatongany ny loza. Nandositra avy hatrany ity zandary ity saingy efa voasambotra ihany akehitriny. Mihidy any am-ponja vonjimaika ny tenany mandrapahavitan’ny fandihadihadiana sy ny fotoanan’ny fitsarana. Ireo zandary any an-toerana no nandray an-tanàna ny marary amin’izao fotoana. Mpitandro ny filaminana mamo mampiasa fitaovam-piadina, sao mba ny lehibe izay miandraikitra azy kosa no manao tandrevaka ? Sao mba mila jerena akaiky ity resaka fandraisana alikaola ao anatin’ny fotoam-piasana fa mitera-doza ? Matetika toa ireny mpitandro ny filaminana irney no sarotiny amin’ny resaka fisotroana zava-pisotro mahamamo amin’ny ora fiasana. Izao toa izy ireo indray aza no mandika ny lalàna napetrany ihany.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire