France: Tsy tafakatra amin’ny Ligue 1 i Lalaina Nomenjanahary sy ny Paris FC
Miezaka hatrany ireo mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra hanome fahafaham-po ireo mpankafia ity taranja iray ity, ary manohy hatrany ireo lalao izay mbola azo atao. Eo amin’izay tontolon’ny baolina kitra izay indrindra, tsy tafakatra amin’ny Ligue 1 ny ekipa Paris FC izay misy an’i Lalaina Nomenjanahary na i Bolida no ahafataran’ny rehetra azy. Ny ekipa Grenoble Foot 38 izay ahitana an’i Jérome Mombris no nanintsana ity ekipa Paris FC ity. Hiatrika an’i Toulouse ny zoma izao noho izany ity ekipa Grenoble Foot 38 ity, ary izay mibata ny fandresena amin’io zoma io no hiakatra amin’ny Ligue 1. Ho an’ny Paris FC kosa, nijanona ao amin’ny Ligue 2 izy ireo amin’ny taompilalaovana manaraka. Ity taranja baolina kitra ity izay efa nampiakatra ambony ny lazan’i Madagasikara tamin’ny lalao nataon’ny ekipam-pirenena Barea.
