OMS : Misy fiantraikany ny miasa mandritra ny 55 ora ao anatin’ny herinandro
Nilaza ny avy ao amin’ny vondrona iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana na ny OMS sy ny vondrona iraisam-pirenena ho an’ny asa na OIT fa hatramin’ny 35% ny loza azo amin’ny « vasculaire cérébral » raha miasa mandritra ny 55 ora ny olona iray ao anatin’ny herinandro. Ho maty tanora raha dieny izao dia miasa mafy, izay no mamintina ny fanambarana navoakan’ny OMS sy ny OIT ny alahady 16 may lasa teo. Miteraka aretina ho an’ny fo sy loza ho an’ny vasculaires cérébraux ary mety hitarika hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. Nanambara ihany koa izy ireo fa nahatratra hatramin’ny 398 000 ny olona matin’ny AVC ary 347 000 ny matin’ny aretim-po izay niasa nandritra ny 55 ora tao anatin’ny herinandro tamin’ny taona 2016 raha teo amin’ny faha 45 ka hatramin’ny 74 taona ny olona iray. Izany hoe tsy mbola misy fiatraikany aloha izany mandritra ny fahatanorana ka miasa mandritra ny 55 ora fa rehefa tafiditra ao anatin’io salan-taona io vao miatraika ny fahafatesana.
