Côte d’ Ivoire: niditra hopitaly any Paris ny Praiministra Ivorianina
Nanomboka ny talata teo no niditra hopitaly ao Paris ny Praiministra Ivorianina mba hanaraka fitsaboana. Ny alin’ny alatsinainy lasa teo no tonga tany Paris i Patrick Achi, 65 taona mba hanaraka fitsaboana mikasika ny olan’ny ra ao amin’ny tsinay araka ny nambaran’ny AFP. Araka ny nambaran’ireo akaiky azy, anio zoma 14 may izy no tokony hiverina any Côte d’Ivoire. Praiministra fahatelo ao Côte d’Ivore I Patrick Achi tao aorian’ny fahafatesana tampoka nahazo ireo roa teo alohany. Voatendry ho filohan’ny governemanta izy ny 26 martsa teo mba handimby an’I Hamed Bakayoko izay maty roa herinandro talohan’io fanendrena azy io teo amin’ny 56 taonany. I Patrick Achi izay manana andraikitra sarotra amin’ny fanarahana ny politikan’ny fampihavanam-pirenena amin’ireo firenena izay niharan’ny herisetra ara-politika vao haingana
