Fivoaran’ny valan’aretina Covid-19
Mbola mitoetra eto Madagasikara hatrany ny valan’aretina Coronavirus. Nahitana fiakarany ny tahan’ny olona mitondra izany ny fiandohan’ny taona 2021 . Antony voalohany ny tsy fanajana ireo fepetra efa napetraka hatramin’izay nisiany .
Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny Covid-19 ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Afaka mandray an-tanana hatrany ny eny amin’ireo tobim-pahasalamana. Marihana fa efa nisokatra tamin’ny volana janoary lasa teo indray ny etsy amin’ny CTC 19 Village Voara Andohatapenaka. Azon’ireo manana soritr’aretina hatao ny manantona eny an-toerana mba hizaha ny fahasalamany. Tafiakatra hatrany amin’ny 295 ny isan’ny olona marary amin’izao. Faritra tena ahitana izany ny eto Analamanga sy Haute Matsiatra. Olona 4 kosa no matin’ny coronavirus, ary 275 no sitrana, raha ny antontan’isa navoakan’ny minisitera ny 30 Janoary hatramin’ny 5 febroary lasa teo. Tao anatin’ny fito andro monja arak’ izany, mitombo ny tahan’ny olona marary. Ny fanajana ny fepetra irery ihany no antoka mahomby amin’ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina be loatra.
Fanilo Rarivoarilala
