Fanaraha-maso ataon’ny fitondrana an’ireo antoko mpanohitra
Anisan’ny maha fitondrana ny fitondrana ny fisiana mpanohitra eo amin’ny tany repôblika iadidiny. Amin’ny maha mpanohitra azy, tsy mifanaraka ny fitondrana ny heviny. Eo ihany koa ny kiana ataony. Ny fisiana mpanohitra no manamarika ny firenena iray fa tany demôkratika izy. Hita fa misy hatrany ny fanarahana akaiky ataon’ny fanjakana, ny hetsika karakarain’ireo mpanohitra, raha n yeto Madagasikara no jerena. Raha tsy hilaza ny sakana nataony taloha sy nandritra ilay fitsangatsanganana tamin’ny Sabotsy 06 febroary lasa teo tany Imerinkasinina. Fitsangatsanganana nokarakarain’ny Miara-manonja. Tontosa soa aman-tsara ihany iny hetsika iny ary mpitsangatsangana aman’arivony mihitsy aza no tonga nanohina ny antso, na di ateo aza ny sakana. Firaisan-kina no hery, ary ny fiarahana no zava-dehibe tamin’izy ireo nandritra izany na dia nanara-maso hatrany aza ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana, amin’ny mety hisian’ny korotana. Akoatr’izay ihany koa, notapahana ny fampitana ny MBS tamin’ny “Canal plus”, “Startimes” ary ny “Parabole” taorian’ny nahazoan’izy ireo ny” ordonnance de justice” avy tamin’ny fitsarana. Fanakorotanana sa fanehoana ny Demokrasia ny hetsika ataon’ireo vondrona mpanohitra ireo ?
Nicole Rafalimananjara
