Hiakatra fitsarana ilay lehilahy nahatratrarana rongony 60kg tany Ambanja
Mila ny fanampian’ireo vahoaka hatrany ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampitam-baovao amin’ireny trangana tsy fanarahan-dalàna na tsy fandrim-pahalemana ireny. Anisany amin’izany izao ity nitranga tany Begavo Ambanja ity. Lehilahy iray no nahatratrarana rongony 60kg tao an-tranony. Ny fiaraha-miasan’ireo vahoaka amin’ny zandary no nahazoana vaovao mikasika azy ity ary izao izy tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana izao. Ny marainan’ny talata 11 may teo no nanao ny fisavana ny mpitandro ny filaminana, ary izao nahatratra azy izao. Efa voahodidina ny toerana nisy azy ka tsy afaka nitsoaka intsony izy. Efa voatazona eny amin’ny mpitandro ny filaminana izy amin’izao fotoana ary hiatrika fitsarana tsy ho ela. Efa nahafatotra olona maro ity resaka zava-mahadomelina ity na fifohana na fanondranana na firaisana tsikombakomba fotsiny ihany aza. Manao sava hao mihitsy ireo mpitandro ny filaminana mikaroka ireo mpanao ity afera maloto ity. Ireo vahoaka ihany koa tsy sasatra ny manome vaovao.
Ally Herisoananahary
