SocialTsidika

Fanaovana vaksiny ireo mpiasan’ny firenena mikambana eto Madagasikara

Tao aorian’ireo tambavy sy fanafody maro isan-karazany izay efa namboarina teto Madagasikara toy ny CVO, CVO+, tonga indray izao ny vaksiny fanefitra Covishield. Nanomboka ny alatsinainy teo ny fanaovana azy. Efa nisy nisitraka izany ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo ka anisany amin’ireo izay mbola hisitraka an’izany koa ny « Système des Nations Unies » eto Madagasikara. Ny talata 11 may teo ny solon-tenan’ny OMS eto Madagasikara, Charlotte Faty Ndiaye no efa vita vaksiny Covishield araka ny nambarany. Toy izany ihany koa ny solontena avy ao amin’ny ONU. Manentana ireo mpiara-miasa aminy izy ireo araka izany mba hanantateraka ny vaksiny Covishield izay araka ny nambarany hatrany, mitovy amin’ny fandraisana ireo mpiasa eto Madagasikara ihany no fandraisana azy ireo. Ireo mpikambana izay 55 taona no mihoatra no tena kendrena amin’io fanaovana vaksiny io fa hisitraka izany koa anefa ireo izay marefo sy ahiana ny amin’ny fahasalamany. Mandray ny andraikiny avokoa ireo vondrona iraisam-pirenena isan-tsokajiny avy aminny ady atao amin’ity valan’aretina ity.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire