ActualitésTsidika

Hiakatra fitsarana anio 11 may ilay ramatoa nanapoizina zaza roa taona

Tsy kely lalana ny ratsy, ary indraindray aza, ny olona ao an-trano sy akaiky anao ihany no mamorika anao. Androany no ho atolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatondrazaka ilay ramatoa nahavanon-doza nanampoizina zaza vao roa taona monja. Raha tsiahivina, ny 26 aprily lasa teo no nahitana fatin-jaza vao roa taona tao Betanimena, ary efa lanin’ny alika ny tapany ambany. Ny 05 may no nisy ramatoa nanatona tao amin’ny Polisim-pirenena ao Ambatondrazaka, ary nilaza fa tsy hita ny zafikeliny izay napetrany tamin’ny vinantony rehefa niverina avy any ambanivohitra izy. Nanao mody adala sy narary hatrany ilay vinanto vavy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandron’ny filaminana azy. Nandritra ny famotorana natao azy no nahafantarana fa nomeny poizim-boalavo ilay zaza ary napetrany tany an-tanimbary rehefa maty tao Betanimena. Anio 11 may no atao ny fitsarana ity ramatoa nahavanon-doza ity ao Ambatondrazaka ihany.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire