SocialTsidika

Rolly Mercia : Nohamafisin’ny fitsarana ny fanagadrana azy 44 volana am-ponja

Navoaka ny didim-pitsarana ny 13 Febroary lasa teo mikasika ny Minisitry ny Serasera teo aloha, Rahajason Harry Laurent  na Rolly Mercia, fa tsy nekena  ny hamoahana vonjimaika azy na dia teo aza ny tsy fahasalamany. Raha tsiahivina ny zava-niseho, Melohina ho tompon’antoka ny fihetsiketsehana natao teny Ambohipo ny 13 Jolay  ny tenany ary nanakarama olona hanao izany mihitsy aza kanefa nanohotohina ny filaminam-bahoaka izany. Ary voaheloka higadra 44 volana am-ponja izy araka izany. Anio, 7 Mey anefa mbola nanamafy ihany ny avy ao amin’ny Fitsarana ambony Antananarivo teny amin’ny lapam-pitsarana Anosy ny fitazomana ity Minisitra teo aloha ity 44 an-tranomaizina. Mpanao gazety i Rolly Mercia ary efa minisitry ny serasera tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina. Olona akaikin’ny filoha ankehitriny kosa izy tamin’ny andron’ny Tetezamita ary nitana andraikitra ambony teo anivon’ny vondrona politika MAPAR. Azo lazaina ho isan’ireo mpanao gazety nigadra izy araka izany izay nanaovan’ny mpanao gazety maro fangatahana ny hamoahana azy. Tsotra anefa ny nambaran’ny Minisitry ny serasera ankehitriny fa tsy misy idirany amin’ny asa fanaovan-gazety ny fanamelohana azy. Maro koa no nilaza indrindra ny fianakaviany fa tsy mari-pototra ny fiampanagana azy fa lonilony fotsiny tsotra izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire