SocialTsidika

Ho tonga eto Madagasikara anio ireo vaksiny fanefitry ny covid-19

Efa maro ireo CTC-19 nitsangana sy fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana natolotry ny fitondram-panjakana hiadiana amin’ity aretina covid-19 ity tao anatin’ny herinandro monja. Nilaza koa anefa ny filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny fahasalam-bahoaka nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety ny alahady 02 may lasa teo fa anio 7 may no ho avy eto Madagasikara ireo vaksiny miisa 250 000 entina miady amin’ity valan’aretina ity. Tao aorian’ny dinika nifanaovan’ny komity siantifika sy ny Akademia nasionalin’ny fitsaboana eto Madagasikara no nanapahana fa ilay vaksiny Indianina « Covishield » no ampidirina eto Madagasikara hiadiana amin’ity valan’aretina ity. Efa nanomboka ny 05 may lasa teo ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te hisitraka ity vaksiny ity. Ny alatsinainy 10 may ho avy izao no hanomboka ny fanaovana ny vaksiny ka ireo mpitandro ny filaminana sy mpiasan’ny fahasalamana no ho atao voalohany. Hanampy azy ireo ihany koa ny zokiolona sy ireo manana areti-mitaiza toy ny sohika, diabeta, tosi-dra avo. Miandry izany aloha ny vahoaka hatreto ary manantena fa tsy ahitana fiatraikana hafa ity fanefitra ho avy ity. Fa mahalasa saina ihany koa hoe angaha moa tsy avy any Inde ilay covid « variant » ? Toa mbola avy any ihany ny ampiditra fanefitra. Dia ho tonga ny fanefitra miaraka amin’ny covid-19 karazany hafa indray avy eo ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire