Mifanipaka an-toerana eto ny Malagasy
Mahazo vahana ankehitriny ry zareo avy ao amin’ny antoko mpanohitra taorian’ny Alahady ireny. Tsy niala lavitra ireny resaka ireny izy ireo nandritra ny fandaharana miara-manonja fa nitsikera ny resaka sy ny fihetsika rehetra nandritra izany. Mpanohitra bontolo tokoa ve sa mahita ny miafina sy ny tokony ho ara-dalàna ? Lonilony efa nisy taloha ve no tena anton’ny tsikera marobe nataony indrindra ny mikasika ny Minisiteran’ny serasera sa fanarahana ny mangarahara tokoa ? Nanjary toa isaky ny hetsika ataon’ny fitondrana dia nahitan’izy ireo ambara avokoa. Raha homena sehatra tokoa ireo mpanohitra hilaza sy hanao izay tiany, mety hitondra vahaolana ho an’ny firenena tokoa ve izany ? Ny firenena mandroso no tadiavina, ary tokony hikatsaka izany hatrany ny mpitondra, fa indrindra manohana ara-kevitra amin’ny alalan’ny fanoherana ny mpanohitra mba hanatsarana ny firenena. Izany ve no zava-misy ? Hita mifandragitra ny andaniny sy ny ankilany. Moa tsy izany ve no tena manakorotana ny filaminam-bahoaka ? Mikorotana ny vahoaka satria misy ady an-trano eto amintsika. Isika gasy samy gasy ihany no mifanenjika sy mifanaratsy an-toerana, hany ka ny vahiny no manjaka manangana orinasa hampiasaina ny gasy, mampalaza ny tenim-pireneny mba hiseraseran’ny samy. Hany ka ny Malagasy mifanipaka an-toerana tahaka ny valala an-karona, ny taniny hanjakan’ny hafa, ny teniny rehefa kelikely mety ho adino. Ny tsy fifankahazoana eo amin’ny roa tonta no tsy mampilamina ny vahoaka fa tiany hifankahazo sy hihavana ny mpitondra sy ny mpanohitra. Tsy ny fisian’ny mpanohitra no ratsy fa ny mpanohitra mikatsaka izay hampandroso ny firenena no ilaina ary tsy ny fitondrana no tsy miasa fa ny asa maharitra sy tena ilain’ny vahoaka sy mifanaraka amin’ny fiainam-pirenena no ilaina. Ny fampihavanam-pirenena no ilaina mba hampandroso an’i Gasikara ka tsy hikatsaka hafa-tsy izay hampandroso ny firenena ny mpitondra sy ny mpanohitra.
Nicole Rafalimananjara
