Naverina nahiboka indray ireo mpandeha
03 May, 14h55. 34 tamin’ireo 284 mpandeha tamin’ny sidina Air France farany teo no naverina nanao fitiliana PCR indray indray. Naverina nahiboka indray ireo mpandeha rehetra tamin’izany. Ary ireo mpandeha tsy mahahefa ny vola fandoavana ny ofan’ny trano fandraisam-bahiny no alefa any amin’ny Complexe Vontovorona. Efa araha-maso akaiky avokoa ny fahasalaman’ireo mpandeha ireo ankehitriny. Tsy misy intsony ny sidina afaka miditra sy mivoaka ny firenena anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.
