SocialTsidika

Reporters Sans Frontières : Mangataka ny hamelana malalaka ny mpanao gazety hanao ny asany

Fikambanana tsy miankina iray eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny Reporters Sans Frontières na ny RSF. Tamin’ny taona 1985 no niforona ity fikambanana ity, ary fantatra sy eken’ny besinimaro any amin’ny firenena mandroso ankehitriny, ary hivondronan’ny firenana 14 any an-toerana. Tanjon’izy ireto ny fiarovana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ireo loharanom-baovao avy amin’ny mpanao gazety. Ny taona 2005 no nahazo ny loka fankasitrahana avy ao amin’ny parlemanta eropeanina izy ireo. Firenena maro manerantany no mikambana eo anivon’ity sehatra ity, ary anjaran’izy ireo ny manome ny laharana momban’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isak’ireo firenena ireo. Miankina tanteraka amin’ny zava-misy ao amin’ny firenena iray no hanomezan’izy ireo izany laharana izany. Anisan’ny fikambanana sarotiny amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanao gazety sy ny asany izy ireo. Raha tsiahivina, ho an’ny Madagasikara manokana teo amin’ny laharana faha 57 no nisy antsika tamin’ity taona ity, raha toa ka teo amin’ny laharana faha 54 no nisy antsika tamin’ny taon-dasa. Midika izany fa nisy ny fihemorantsika teo amin’io laharana io. Anton’izany hoy ny minisitry ny serasera ny fisian’ny toe-draharaha momba ny coronavirus teto amitsika, izay saika ny firenena rehetra no nahitana izany. Mitodika manokana tamin’ny fanjakana Malagasy anefa izy ireo ankehitriny. Taorian’iny famoahana laharana iny, nanao antso avo amin’izy ireo ny RSF ny amin’ny hamelana malalaka ny mpanao gazety hanao ny asany. Efa dingana tsara, hoy izy ireo, ny fihemoran’ny minisitra dimy ny amin’ny fanapahan-keviny ny amin’ny fanatsaharana fandaharana. Saingy tokony hitohy an-kalalahana kosa izany ankehitriny, indrindra amin’izao fiparitahan’ny aretina izao. Raha ny fanehoan-kevitry izy ireo, azo hatao sar any manao fandaharana amin’ny haino aman-jery na amin’ny lafiny inona izany na amin’inona.

 Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire