Sambava : Nidina ifotony ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria
27 Aprily, 9h00. Nandalo nandravona ny disadisa nisy tany Amboangibe Sambava ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny Alatsinainy 26 Aprily. Nanentana ny vahoaka mba hahatoky ny fitondram-panjakana amin’ny fanasaziana ireo zandary maro nandika fitsipi-pifehezana izay nahafaty olona roa no nataon’izy ireo. Mila sahy mitoroka ny vahoaka raha misy fomba fiasa mampiahiahy. Nampahafantarina ny vahoaka ihany koa fa tsy azo atao ny fitsaram-bahoaka ary tsy mahazo rariny mihitsy izay manao izany.
