Dépêches

Ambatonikolahy Antsirabe II- Betafo : Fitsaboana maimaimpoana

Manome fitsaboana maimaimpoana any Ambatonikolahy, faritra Vakinakaratra Antsirabe II sy betafo ny fikambanana mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapo.

Omaly no andro voalohany hanaovan’izy ireo izany any an-toerana. Safidian’izy ireo manokana ny toerana lavitra sy saro-dalana. Ao ihany koa ny toerana lavitra dokotera, na hoe misy dokotera sy infirmiera fa tsy misy fanafody. Fitsaboana sy fizahana ireo aretina mpahazo ny zaza sy ny olon-dehibe no ataon’izy ireo. Ao ihany koa ny fizahana areti-maso, fizarana solomaso ho an’ireo pahana, fitsaboana sy fanalana nify ho an’ireo mila izany.

Laisser un commentaire