SocialTatitra

Etats-Unis : Nanidina indray angidimby Ingenuity any amin’ny planeta Mars

Nanatanteraka sidina fahatelo ho any amin’ny planeta Mars ny angidimby kelin’ny NASA, Ingenuity, ny alahady 25 aprily lasa teo. Mandeha haingana sy lasa lavitra mihoatra ireo roa efa lasa ity farany ity izay mahatratra 7 km isan’ora ny hafainganam-pandehany izany hoe 2 metatra isan-tsengondra. Efa eo am-panomanana ny sidina fahaefatra indray izao ny NASA izay antenaina fa hihatsara hatrany mihoatra ireo efa lasa. Afaka iray volana kosa, hanatsahatra ny fanandramana tahaka izao izy ireo ary hametraka ny « Rover Perseverance » hanohy ny asany amin’ny fikarohana ny soritra fiainana taloha nisy tany amin’ny planeta Mars amin’izay.

Laisser un commentaire