Irak : Maherin’ny 80 ireo maty tamin’ny fahamaizan’ny hopitaly fitsaboana ireo mararin’y COVID-19
82 farafahakeliny no maty ary 110 naratra noho ny fahamaizan’ny hopitaly iray mitsabo mararin’ny coronavirus tany atsimo atsinanan’i Bagdad any Irak ny asabotsy 24 aprily alina lasa teo. Irak izay isan’ireo firenena arabo voakasiky ny aretina be indrindra. Voalaza fa « bouteilles d’oxygène » tsy voatahiry araka ny tokony ho izy no nahatonga ny firehetana. Teo ihany koa ny tsy fananan’ny hopitaly fitaovana hiarovana amin’ny fahamaizana tahaka izao ka sady betsaka ny olona tsy avotra intsony. Naato tamin’ny asany ny Minisitry ny fahasalamana Hassan al-Tamimi, ny governora Mohammed Jaber sy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ao amin’ ilay faritra, satria kolikoly sy tandrevaka an-taona maro no voalaza fa anton’ny loza tahaka izao.
