SocialTatitra

Tchad : Mandà ny hiara-hiasa amin’ny mpanohitra ny fitondrana miaramila

Tsy mankasitraka ny fifampiraharahana izay kasain’ny mpanohitra hapetraka ny fitondrana miaramila ao Tchad. Ny mpanohitra avy ao amin’ny Front pour l’alternance et la concorde  na FACT no mikonokonona fampiraharahana izany. Nolavin’ny fitondrana tarihin’ny zanaky ny filoha avy hatrany izany ny alahady 25 aprily lasa teo. Tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny fahitalavitra tany an-toerana no nilazan’ny mpitondratenin’ny governementa, Azem Bermandoa Agouna, izany. Ireto mpanohitra ireto izay voharohiroy amin’ny fahafatesan’ny filoha Idriss Déby. Ny asabotsy 24 aprily lasa teo anefa no nilaza ny lehiben’io fanoherana io fa vonona ny hampitsahatra ny ady ary hanao fanadihadiana mahakasika io, ary nilaza fa hikatsa-bahaolana amin’ny resaka politika any an-toerana. Ny fanjakana ihany koa etsy ankilany efa niantso ny firenena Niger mba hiara-miasa amin’izy ireo.

Laisser un commentaire