SocialTsidika

Manomboka ny foto-drafitr’asa ho an’ny « fasan’ny firaisam-po »

Nanomoka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny foto-drafitr’asa ho an’ny fasan’ny firaisam-po. Natao ho an’ireo olona matin’ny coronavirus no tena nanorenana io toerana io. Anton’izany ny tsy fahafahana mitondra razana mivoaka ny faritra. Eo ihany koa ny fahafenonan’ny toerana toy ny eny Anjanahary. Iray amin’izany ny eny Anosiala Ambohidratrimo sy ny eny Tsiafahy. Raha ho an’ny etsy anosiala, efa manomboka amin’ny fanaamboaranaa izany ny fitondram-panjakana. Lavaka 100 no nanombohana izany, miara-miasa amin’izany ny fiadidiana ny Repoblika sy ny faritra Analamanga. Iantohan’ny fanjakana ny fitaterana ireo lavo avy eny amin’ireo hopitaly mankay amin’ny fasan’ny firaisam-po. Mahakasika ireo tsy matin’ny covid-19 kosa, mety ho olana eo amin’izy ireo ny hitadiavana toerana handevenana, nilaza ny tompon’andraikitra fa azon’izy ireo atao ny mifampiraharaha amin’ny tompon’andraikitra amin’ny hametrahana ny razana eny. Hisy kosa ny tsangam-bato mirakitra ny anaran’ireo lavon’ny valan’aretina. Hasiana rary biriky sy simenitra ara-dalàna tsara ny fasana. Mbola tsy mazava kosa anefa ny mety ho sarany na ny hofan’ny fasana. Tany mirefy 5 000 m² moa ity tany etsy anosiala ity, iza azo hanorenana fasana maherin’ny 500. Tsy misy maniry ny ho tonga hatrany amin’izany isa izany anefa raha ny fanehoan-kevitry ny maro no jerena. Fanontaniana apetraky ny fanehoan-kevitra maro eto amin’ny firenena ny hoe : Efa miomana sahady amin’ny fanorenana fasana amin’ny hectara maro ve ny fanjakana tahaka ny any amin’ny firenena Inde sy Bresil ? Vinavinan’ny rehetra ny mety mbola hiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina noho isika hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririna, izay marihana fa mampahazo aina sy mampanjakazaka ity tsimokaretina ity.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire