Trano roa indray may
26 Aprily, 11h07. Trano miisa roa no may omaly Alahady 26 Aprily tao amin’ny Fokontany Atsimondrova Ambatondrazaka tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Mitentina an-jatony tapitrisa any ny fahasimbana rehetra hoy ny tompon-trano. Tsy nisy ny naratra sy ny maty nandritra izany. Naharitra ora telo teo vao voafehy ny afo.
