SportTatitra

Monte-Carlo : Nanindry an’i Andrey Rublev i Stefanos Tsitsipas nandritra ny lalao

Nandritran’ny lalao famaranana tennis tao Monte-Carlo no nanilihan’ i Stefanos Tsitsipas an’i Andrey Rublev, teo amin’ny isa 6-3/6-3. Nanjakazaka tanteraka nandritran’ny lalao izy ary nahazo ny anaram-boninahitra tany Monte-Carlo ny alahady 18 aprily lasa teo. Efa nitondra ny amboara indimy ity mpandresy ity, ary anisan’ny lalao efa nandreseny ny tao London Maters tamin’ny taona 2019, ary izao nibata ny amboara masters 1000 izao ny alahady lasa teo. Efa nanomboka nisongadina nandritran’ny lalao fifaninana roa voalohany izy ny taona 2018 ka sy 2019. Nanazava ny anton’ny fahomboazan’ny Tsitsipas izy taorian’ny nandreseny ary nilaza fa amin’ny fahamalinana tsara no hanatanterahany ny lalao, sehatra tsy tokony hirotorotoana mantsy io lalao tennis io, hoy hatrany izy, « mila maka sary an-tsaina ny mety hizotran’ny lalao rehetra aho mialohan’ny lalao, ary mieritreritra ireo paikady rehetra, eny fa na tsy eo amin’ny fanazaran-tena aza aho, mieritreritra mandrakariva ny fomba hitondrako ny lalao » hoy ny fanazavan’i Tsitsipas. Nanambara ny fahaiza-manaony nandritran’ny lalao ihany ko izy ary nilaza fa resiny tanteraka i Andrey Rudelv.

Laisser un commentaire