Etats-Unis : Orinasa niomerika hanao fitokonana amin’ny fomba hafa
Orinasa iray misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika no manao fitokonana ankehitriny. Amin’ny fomba hafa anefa no hanatanterahan’izy ireo izany. Amin’ny alalan’ny fanakorotanana amin’ny tambajotra amin’ny fivoriana an-tserasera iray no hanandraman’izy ireo hanao izany. Mpiasa hatrany amin’ny 78 no hanatanteraka izany, ary io fivoriana io no hanandraman’izy ireo hanaovana izany voalohany. “ Fitokonana niomerika no hilazan’izy ireo izany, ny zoma 16 aprily lasa teo no efa maro ireo mpiasa nanomboka namaly ny antso, ary manomboka manao ny fanandramana amin’izany. Maro ny mpiasa miasa amin’ity orinasa ity manerana ny firenena samihafa, anisan’izany ny ao France. Anton’ny fitokonana ny fanenana ny isan’ny mpiasa, ny fampitomboana ny asa ataon’ny mpiasa tafajanona nefa misy ireo roahana . Mangataka ny hamerenana ny zon’ireo mpiasa ireo ny sendiakan’ny mpiasa ao an-toerana. Marihina mantsy fa tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra avokoa no nanatanterahan’ireo firenena samihafa ny asany nohon’ny fisian’ny fihibohana.
