Mali : Fifidianana ho tanterahana ny Febroary 2022
Ho tanterahina ny Febroary sy Martsa 2022 ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ho mpanao lalàna any Mali raha ny navoakan’ny Governemanta ny Alakamisy 15 Avrily lasa teo. Ny 27 Febroary 2022 no hanaovana ny fiodinana voalohany amin’izany fifidianana izany. Ary ny 13 sy 20 Martsa kosa ny fiodinana faharoa raha ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Minisitry ny fitantanana ny firenena, Lieutenant- colonel Abdoulaye Maïga. Marihana fa anaty fitondrana tetezamita i Mali amin’izao izay nanomboka ny Aogositra 2020 teo ka maharitra 18 volana izany.
