SocialTsidika

Tia kely ny Malagasy

Malaza ankehitriny ny fanararaotana amin’ny vidim-panafody, vidim-bary, vidin’entana majinika ilaian aan-davan’andro. Manararaotra amin’ny sitrany ahay ny ankamaroan’ny mpivarotra amin’izao. Miseho amin’ny endriny maro ny fanararaotana amin’izany, nahoana no dia isika samy isika anatin’izao ady sarotra izao no mananararaotra ? Izany no tena vahaolana mahatafavoaka antsika anatin’izao fahantrana izao. Tsy hipetra-potsiny manoloana ny halatra toy izany anefa ny mpitandro filaminana. Nidina sy nanara-maso tao anatin’ny tsenan’ny Tantsaha Talatamaty ny polisy Kaominaly sy ny controleur ny Alarobia 14 Avrily 2021. Vato mizana tsy misy plomb, mizana misy gadana no hitan’izy ireo nandritra ny fisavana natao ifotony. Tia kely ny gasy, mangalatra amin’ny lanja ny mpivarotra izany hoe gramma vitsivitsy no alain’izy ireo. Mbola betsaka ny mpivarotra tsy voara-maso any ho any amin’izao. Tsy mampandroso ny toe-tsaina tia kely tahaka izany ka tokony hialana. Tsy miandry ny mpanara-maso vao hijanona fa dieny izao, aleo manaraka ny rariny sy ny hitsiny hatrany mba hahasoa ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire