SocialTatitra

Suisse: Lehilahy iray nandratra olona miisa enina tamin’ny antsy

Olona enina no noratraina lehilahy iray tamin’ny alalan’ny antsy ary voa mafy ny roa tamin’izy ireo, tao an-tanànan’i Zofingue, any avaratr’i Suisse. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity taorian’izany fihetsika nataony izany. Avy amin’ny firenena hafa ity lehilahy ity raha ny voalazan’ny polisy nanao ny fanadihadiana ary manodidina ny 40 taona eo ho eo. Tsy fantatra mazava ny antony nanaovany izany fihetsika izany, saingy tao anatin’ny fisamborana azy dia nozahana ihany koa izy. Ireo olona noratrainy dia nahiditra hopitaly avokoa. Talohan’izao tranga izao, dia efa namono olona hafa, tany amin’ny toerana tsy lavitr’ity tanànan’i Zofingue ity lehilahy ity ary efa voasambotra ihany koa izy tamin’izany.

Laisser un commentaire