SocialTatitra

Japon : Hanary any an-dranomasina ireo rano maloto avy amin’ny toby nokleary simba tao Fukushima

Nanambara ny governemanta japoney ny talata 13 aprily 2021 lasa teo fa mikasa ny hanary an-dranomasina rano mihaotra ny 1 tapitr’isa taonina vokatry ny loza voajanahary tao fukushima folo taona lasa izay. Miteraka voka-dratsy ho an’ny lafiny jono any an-toerana mantsy ny fitahirizana izany. Maika kokoa hoy ny governemanta ny fanapahan-kevitra nohon’ny fetran’ny fahafaha-mitahiry rano eo an-toerana izay hatramin’ny fararanon’ny taona 2022 ihany. Nahatezitra ny mpanjono sy ny firenena mifanakaiky amin’ny japon anefa io fanapahan-kevitra io. Efa nandritran’ny fito taona ihany koa no nisy ny adi-hevitra mahakasika izany, saingy ankehitriny vao nisy ny fanapahan-kevitra. Nilaza kosa anefa ny governemanta any an-toerana fa hanao ny fomba rehetra hanamorana io fanariana rano mba tsy hisy fiantraikany be loatra amin’ny fiainan’ireo mpanjono sy ny firenena akaikin’ny japon, toa an’i Corée du Sud. Mba tsy hiteraka voka-dratsy ihany koa ho an’ny fambolena ny ala, ny jono sy ny fizahantany anatiny.

Laisser un commentaire