SocialTatitra

OMS : Mampanahy ny fanjifana zava-mahadomelina amin’ny fitaovana elektronika ataon’ny tanora tsy ampy taona

Zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka, indrindra fa ny zaza, ny fampiasana ankapobeny ireo akora misy poizina ao anatin’ny zava-mahadomelina, hoy ny antso avo sy fampitandremana nataon’ny avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana. Ao anatin’izany ihany koa, dia miantso ny hampiakarana ny hetra izy ireo, sy hametra ny fivarotana, ny dokam-barotra fa indrindra ny fandraràna ireo mpanamboatra hanitra, ho fanoherana ity fironana ity, hoy hatrany ny fanazavana. Taorian’ny taona maro nampihena ny fampiasana ity akora manintona ny saina ity, dia anisan’ny nampiverina indray ny fiakaran’ny tahan’ny fanjifana izany ny valan’aretina covid-19. Raha ny voarakitra anatin’ny tatitra nataon’ireo tomponandraikitra, naka toro tamin’ny tanora, dia 280.000 ireo manjifa izany manerana an’i Europe, Asie centrale ary Canada.

Laisser un commentaire