Australie : Fatina karazana trondro lehibe am-polony hita tao amin’ny sisin-dranomasina
Kazarana hazan-drano lehibe (cétacés), 26 no maty, tao amin’ny sisin-dranomasin’i Australie, omaly, araka ny nambaran’ny sampana miandraikitra ny valanjava-boary sy ny biby, ao atsimon’i Australie, nidina an-tsehatra avy hatrany ny zava-misy. Raha ny fanadihadiana, efa mahatratra hatramin’ny 160 isa ireo cétacés tafahitsoka tao amin’ity tora-pasik’i Toby’s Inlet ity. Niezaka ny hanavotra ny sasany tamin’ireo biby, ireo manam-pahaizana tany an-toerana, saingy tsy nahatana ny ain’ireo biby ny fanindronana azy ireo. Tranga niseho matetika, tato ho ato, ary saika manerana izao tontolo izao, ny fisian’ireo trondro lehibe maty ka mitsingevana amin’ny sisin-dranomasina, saingy tsy mbola fantatra mazava ary tsy voaporofo ny antony mahatonga izany.
