ActualitésTsidika

Masindray: Lehilahy nangalatra bisikileta nifanenjehan’ny zandary

Lehilahy iray 21 taona no nifanenjehan’ny zandary  tao amin’ny kaominina Masindray. Nangalatra bisikileta teo anoloan’ny kaominina ity lehilahy ity, araka ny voalaza.

« Lehilahy iray nikarakra taratasy tao amin’ny kaominina no niharan’ny fangalarana bisikileta ny 24 aprily. Tazany mihitsy moa ilay lehilahy mpangalatra  ity nitsipaka ny bisikiletany raha izy nivoaka ny biraon’ny kaominina iny ka niantso ny zandary avy hatrany » hoy avy amin’ny zandarimaria.

« Rehefa natao ny fanenjehana azy dia tratra teny amin’ny lalana hiazo ny fokontany Antaramanana ity lehilahy ity. Avy any Ibaka, kaominina Ambatomanga izy izao tratra mangalatra aty Masindray ity » hoy hatrany ny fanazavana.

Tranga miseho matetika eny amin’ny faritra ambanivohitra ny tranga toy izao. Manoloana izany dia manentana hatrany ny mponina, indrindra ny isam-batan’olona ny zandarimaria mba samy ho mailo sy hitandrina hatrany.

Laisser un commentaire