SocialTatitra

France : Tsy manan-kialofana iray nikasa ny handoro ny fiaran’ilay olona tsy nanaiky nividy solika taminy

Tsy nanaiky ny tsy fanjifana taminy ity tsy manan-kialofana iray, ka saika nitera-doza tamin’ny toeram-pitsinjarana solika iray tao Gironde, France. Mpitondra fiara iray, naka solika teo amin’ny tombin-dasantsy no nanantonan’ity olona tsy manan-kialofana iray ity ary niteny azy mba hividy solika taminy, izay nentiny tamin’ny « jerrycan », araka ny fanazavana. Tsy nanaiky ny hanjifa izany anefa ity mpitondra fiara ity ka nahatezitra ilay mpivarotra. Teo no nivadika ny rasa, ka nararak’ity tsy manan-kialofana ity tamin’ilay fiara ny solika nentiny, ity fiara ity izay nitondra ny fianakavian’ilay mpamily. Nandrehitra afo izy hamporetana izany. Saingy voasakan’ilay mpamily ary nampiantso ny mpitandro filaminana ity farany. Voatazona am-ponja moa ilay tsy manan-kialofana taorian’izany.

Laisser un commentaire