ActualitésTsidika

Anjeva: Hanomboka ny fifaninanana baolina kitra hiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2024

Hanomboka ny lalao fifaninanana baolina kitra hiadiana ny amboan’ny ben’ny tanàna 2024 ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Amin’ny sabotsy izao dia efa misy ny lalao hifanatrehan’ireo ekipa isaky ny fokontany.

« Sabotsy 27 aprily manomboka amin’ny 12ora sy sasany atoandro, ao amin’ny kianja Salazana, lalao hifanatrehan’ny 4FL Lambomanana sy ny CFF Faliary. Aorian’izay JSA Ankadiefajoro hihaona amin’ny Club M2 Mangarano. Hitohy ny alahady sy ny alarobia 1 may  izany lalao fifanintsanana izany » hoy ireo mpikarakara.

« Manohana tanteraka  ny baolina kitra eto Anjeva satria tena zava-dehibe izany, ho fanohanana ny tanora sy fitaizana azy ireo tsy hirona ho any amin’ny zava-mahadomelina, izay tena manimba tanora maro amin’izao fotoana. Anisan’ny mampandroso ny fanatanjahan-tena eto an-toerana ihany koa izany » hoy i Ntsoa, mponina ao Anjeva.

Ao amin’ny kianja Salazana no hanatanterana izany lalao izany. Amin’izao fotoana, efa miverina azo hilalaovana izany kianja izany raha nisy fitsaharana ny fampiasana azy teo aloha.

Laisser un commentaire