SocialTatitra

Etats-Unis : Manomboka ny asa fanesorana ireo kaontenera taorian’ny firodanan’ny tetezan’i Baltimore

Miroso tsikelikely amin’ny fanalana ireo kaontenera, taorian’ny faharodan’ny tetezana Baltimore, amin’izao fotoana. Miasa ao an-toerana avokoa ireo sambo sy fitaovana isan-karazany hanalana ireo kaontenera tafahitsoka sy mibahana ny fandehanan’ireo sambo ao an-toerana. Ao anatin’izany, misy ny fanapahana sy fanakisahana ny ampahany amin’ny tetezana izay mirefy 200taonina eo ho eo. Zava-dehibe ny fanalana ireo sakana ireo, hoy ny tomponandraikitra any an-toerana, ity fivezivezena anaty rano ity izay anisan’ny miasa indrindra any an-toerana.

Laisser un commentaire