France : Nitrangana fahamaizana trano tao Charonne, olona telo no namoy ny ainy
Nisehoana hain-trano, ny alahady hariva teo, tao amin’ny trano lehibe iray manamorona ny lalana Charonne, any Paris, France. Olona telo no maty tao anatin’izany, izay mbola mampametra-panontaniana ireo manam-pahefana any an-toerana, raha niharo vono olona ity hain-trano ity. Nahitana ratra vokatry ny tifitra, teo amin’ny lohan’ny iray tamin’izy telo, ity farany izay mbola afaka nitsambikina teo amin’ny varavaran-kely nandositra saingy maty vokatry ny tifitra. Ny fizaharana ireo razana roa hafa ihany koa no nahitana lavaka roa, nidirana sy nivoahana bala, araka ny fizahana hatrany saingy tsy hita tao anatin’izy ireo ilay bala. Ny fampanoavana any an-toerana dia manameloka ny tranga ho famonoana olona niniana natao sy famotehana ny fananan’ny hafa tsotra izao ity tranga ity. Ireo mponina manodidina ihany koa dia nanamafy fa naheno fipoahana mialohan’ny nisian’ny hai-trano. Mbola mitohy ny fanadihadiana ao anatin’izany.
