ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nampiana ireo famantarana amin’ny lalana ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana

Noho fisian’ny lozam-pifamoivoizana miseho matetika tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, dia nandray fepetra ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina sy ny zandarimaria ary ny koperativa ao an-toerana. Nampiana ireo famantarana amin’ny arabe, ho fisorohana ny loza isan-karazany, araka ny voalaza.

« Misy ny fandaminana vaovao eo amin’ny toeram-piantsonana hisorohana ny loza mateti-pitranga izao ka ho an’ny rehetra, raha hiakatra dia tsy misy toeram-piantsonana intsony eo amin’ny garage sy ny lapa gasy fa nafindra eo anelanelan’ireo fiantsonana roa taloha ny fiantsonana vaovao, izany hoe eo alohan’ny quincaillerie RG » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Raha hidina kosa dia eo amin’ny fiantsonana eo Ikianja ihany no maka sy manala ny fiara. Natao moa izao ho fiarovana ny tsirairay ka entanina ny rehetra mba hanaraka izany hisorohana ny loza satria anisan’ny mamono olona ny toeram-piantsonana taloha io » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe ho an’ny fandaminana ny fifamoivoizana tokoa ny tahaka izao. Ao anatin’izany anefa, ilaina ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay mba hanaraka ny lamina napetraka raha tiana ny hampirindra ny fifamoivoizana.

Laisser un commentaire