France : Manomboka manakaiky an’i Marine Le Pen
Manontany tena mahakasika izay hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2022 avokoa ireo frantsay amin’izao fotoana izao. Mbola i Emmanuel Macron sy i Marine Le Pen ihany aloha hatreto no fantatra fa hifanandrina amin’io fotoana io. Matahotra ny amin’ny fahalanian’i Le Pen ny ankamaroan’ireo frantsay amin’izao fotoana. Nisy ny fanadihadiana tamin’ny haitao nataon’ny Ifop-Fiducal saingy mbola mitàna ny laharana voalohany amin’ny salan’isa 54% i Macron raha toa ka 46% kosa ny an’i Marine Le Pen. Raha atao jeri-todika anefa ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany nahalanian’i Emmanuel Macron teo, tafiditra tamin’ny laharana faharoa niaraka tamin’ny salan’isa 33% i Marine Le Pen. Midika izany fa niakatra ny tahan’ny fitiavan’ny olona an’i Le Pen ka io no atahoran’ny ankamaroan’ireo frantsay mpanohana an’i Emmanuel Macron. Mbola baraingo araka izany izay ho valin’ny fifidianana amin’io fotoana io.
