Kolontsaina: Ny mampiavaka an’I Jaojoby, mpanjakan’ny Salegy malagasy
Eusèbe Jaojoby dia teraka ny 29 Jolay 1955, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe Jaojoby, izy dia mpamoron-kira sy mpanakanto malagasy, gadon-kira avy any avaratra andrefan’i Madagasikara. Raha vao miresaka hoe Jaojoby, dia ny “salegy” avy hatrany no mby ao an-tsaina. Eny tokoa, ity mpanakanto ity no anisan’ny nanandratra avo izany gadona izany, ary voalaza ho mpanjakan’ny Salegy I Jaojoby. Anisan’ny nampiavaka sy nahafantarana an’I Jaojoby ihany koa ny nampivadiany ny “Malesa” sy ny “Bahoejy”. Ireo gadona ireo izay mampalaza sy mampiavaka ny faritra avatra sy andrefan’ny nosy iny. Ankoatra ny salegy, ny fananany feo avo, ambony no anisan’ny mampiavaka ihany koa an’ny Jaojoby. Mafy tokoa ny feony, ary matetika rehefa manao fampisehoana izy, anaty efitra dia tsy mila fanamafisam-peo rehefa mihira. Efa maro ireo mari-boninahitra azony noho ny kanto vitany; ity farany izay nitondra avo ny kolontsaina sy ny kanto Malagasy, tsy teto an-toerana ihany fa nanerana ny ranomasimbe Indianina sy hatrany ivelany.
