France : lehilahy iray maty vaotifitra tao Dijon
Tovolahy iray manodidina ny 20 taona no maty voatifitra, ny alahady hariva teo tao Talant, tanàna ao ambanivohitr’i Dijon, France. Faritra iray fantatra ho toerana be mpandray sy mpivarotra zava-mahadomelina ity nisehoan’ny tranga ity, ary ahiana ho misy hifandraisana amin’izany no antony nitifirana ity tovolahy iray ity, araka ny nambaran’ny polisy ao an-toerana raha nanokatra ny fanadihadiana. Manodidina ny tamin’ny 9ora alina, tany an-toerana no nisehoan’ny tranga, tao amin’ny faritra fiheren’ireo mpanondrana zavamahadomelina. Avy ao anatin’ny fiara ireo, izay notainganan’olona maromaro, no nisian’ny tifitra vararaka ka nahafaty tsy tra-drano ilay tovolahy voalaza ity. Tranga famonoana olona fanindroany niseho tao amin’ny faritra ity moa ity niseho ity. Ny faran’ny herinandro teo ihany koa, tovolahy iray 19 taona, mponina ao amin’ny faritra ity ihany, no maty voatsatok’antsy, mbola vokatr’izany raharaha zava-mahadomelina izany hatrany.
